“GASY IHANY, GASY HATRANY…”

GASY IHANY, GASY HATRANY…”
Matetika dia ilay horonan-tsary miaina (Cartoon) “Madagascar” iny no tonga ao an-tsaina indrindra fa ireo tera-tany vahiny vao miresaka momba an’i nosintsika. Nampahafantatra misimisy kokoa an’I Madagasikara ny Malagasy teto Egypta.
Ny Alakamisy, faha 9 ny volana novambra 2017 no fotoana iray nampahafantarana an’I Madagasikara sy nanehoana ny hakantony tamin’ny alalan’ny hetsika iray nokarakarain’ireo mpianatra Afrikana ao amin’ny Oniversite Amerikana eto Egypta (American University in Cairo na AUC). Nisolo tena ary nandravaka io hetsika io ny sasany tamin’ireo Malagasy monina eto Egypta.

“Africa in perspective” moa no niantsoan’ilay hetsika, izany hoe raha fintinina amin’ny dika tsotra indrindra dia fampisehoana ho fampahafantarana sy mba ahazoan’ny hafa sary an-tsaina (fomba fijery) izany kaontinanta Afrika izany sy ireo firenena ao aminy. 

Arak’izany dia nisy firenena maro nandray anjara toa an’I Nigeria, Oungada, Ethiopia,… ary tao ihany koa Gasikara. Tsy azo lavina fa samy manana ny maha izy azy ireo firenena ireo raha eo amin’ny ara-toe-karena fotsiny ohatra; saingy tsy ambakan’izany koa ny tanindrazantsika indrindra eo amin’ny harena voajanahary izay tena nahavariana ny maro, ny hatsaran’ny zavaboary toy ny “Maki” sy “Baobab” izay tena fanta-daza sy ireo maro hafa. Naseho an-tsary ihany koa ireo toerana maro azo tsidihina ho an’ireo mpizaha-tany toy ny Rova, Isalo, valan-javaboary isan-karazany…

Nisy ihany koa ny fanehoana ny maha-malagasy tamin’ny alalan’ny fitafy toy ny malabary ho an’ny lehilahy sy ny tao-volo toy ny randrana ho an’ny vehivavy; tena vitsy tokoa ary azo isaina amin’ny ratsan-tànana ny vehivavy Egyptianina mirandrana raha ny hita eto Caire manokana. Variana sy finaritra ireo nitsidika ny hetsika tamin’izany ary maro ireo nangataka ny haka sary. Teo ihany koa ny sakafo, nahandro Malagasy: ravitoto, kabaro, vary ary lasary izay ISAORANA manokana eto ireo nandray anjara mavitrika sy nanantanteraka izany.


Samy nitondra tao-zavatra vita Malagasy ireo rehetra izay manana izany, fahatsiarovana nentin’izy ireo avy any Dago no natambatra ka azo nazeho mba handravak’ilay hetsika toy ny valiha, aponga, haingon-trano vita Malagasy, lambahoany, satroka, lamba landy… Nangonina avy amin’ny tsirairay ihany koa ny hevitra mba hahatontosa soa amantsara ny hetsika, koa nanomana dihy mirindra tamin’ilay hiran’I Marion hoe “Diavolana”. Ny antony safidy moa dia noho ity hira ity mitondra ilay kolotsaina maha Malagasy amin’ny endriny manaraka ny vanim-potoana, fa sady nahafinaritra ny rehetra ilay izy.

Izay raha fintinina ny zava-niseho ny alakamisy lasa teo, Noararaotina ny fotoana nahafahana nitondra ny voninahitry ny tanindrazana sy nampahafantatra azy tamin’ny olona maro. Nahomby ny ezaky ny tsirairay ary finaritra ireo olona maro tonga nitsidika ny fampirantiana natao. Tiana ho marihina ihany fa mahalana vao misy hetsika toy izany eto Egypta sy any amin’ny Oniversite.

 

IREO SOMBITSOMBINY AMINY SARY


Tena irariana indrindra ilay fotoana isian’ny masoivohon’i firenena Malagasy aty an-toerana satria betsaka ireo maniry te hitsidika ny nosintsika nefa tsy ampy ny fampahafantarana azy na dia miezaka ary ireo mpianatra Malagasy any amin’ny oniversiteny avy mizara izany.

 

Mihaja Rasoanaivo

Raha hizara hevitra

commentaire

Related posts

13 Thoughts to ““GASY IHANY, GASY HATRANY…””

  1. credit loans guaranteed approval bad credit loans direct lenders credit loans guaranteed approval credit loans

  2. F*ckin¦ remarkable things here. I¦m very glad to peer your post. Thank you so much and i’m taking a look ahead to touch you. Will you kindly drop me a mail?

  3. Paul Achat Xenical Ligne viagra Inhousepharmacy Uk Propecia Es Malo generic viagra Canadian Pharmacies No Pres Minocycline Expired 2012 Acquistare Viagra Originale Ketoconazole levitra wholesale no prescription Viagra Haltbarkeit Women Take Kamagra Amoxicillin Bioequivalence Anti Depression Drugs Online online pharmacy Clomid Contre Indications Pharmacie Cialis Propecia Di Doping Levitra Online In Usa order cialis online Como Hacer La Propecia Cheapest Sildenafil Citrate 100mg

  4. Propecia Heart Problems Levitra Professional viagra Cheap Acyclovir Fast Is Amoxicillin The Same As Clavamox Cialis Effets Indesirables

  5. Tomar Cialis 10 Mg que es el cialis Cialis Samples Amoxicillin Adult Dose For Cat Bite Can I Buy Doxycycline Over The Counter

  6. Riconia Acheter Cialis En Espagne generic cialis Isotretinoin Worldwide Price Amex Accepted Online

  7. Amoxicillin In Animals generic cialis Utilizzo Cialis 5 Mg Long Lasting Sex Pills Pharmacy

  8. Where To Buy Viagra Over The Counter Buy Propecia Online India Is Lasix Hard On The Kidneys viagra Viagra Ereccion Mas 4 Horas

  9. Levitra Acquisto In Contrassegno Healthy Men Viagra Offer generic 5mg cialis best price Vitamins Interfere With Amoxicillin Atenolol

  10. Viagra For Sale In 3 Days European Pharmacy cheapest cialis 20mg Progesterone With Free Shipping

  11. Genuine Viagra 379 Cailis cialis vs viagra Sildenafil For Men Doxycycline 100mg For Sale Boite Propecia

Leave a Comment