Fifidiana filoham-pirenena Egyptiana ny 26 – 28 martsa 2018

Fifidiana filoham-pirenena Egyptiana ny 26 – 28 martsa 2018. 

Hotontosaina amin’ny faran’izao volana martsa izao ny fifidianana izay ho filoham-pirenena Egyptiana, ary efa nanomboka hatramin’ny tapaky ny volana febroary lasa teo ny fampielezan-kevitra”

Nanomboka ny taona 2013 no nipetraka ny rafitry ny governemanta Egyptiana rehefa lany tamin’ny salan’isan-jato 96% ny filoha am-perin’asa ankehitriny: Abdel Fattah Al-Sissi. Ireo filoha nifandimby teo alohan’ny moa dia samy lany tamin’ny alalan’ny fifidianana avokoa: M. Morsi (2012, nohon’ny fanonganam-panjakana nataon’ny miaramila tamin’ny 2013 anefa dia tsy naharitra ela izy teo amin’ny fitondrana), H. Moubarak (mpitondra naharitra 30 taona teo amin’ny fitondrana izany hoe tany amin’ny taona 80 tany izy no efa filoha ary afaka nanavao ny toerany hatrany nandritra izay taona rehetra nifandimby, nikasa ny hanova ny lalàm-panorenana mihintsy aza ity filoha iray ity mba ho mandra-maty ary ho lovain’ny zanany ny fitondrana.

Saingy nohon’ny hetsika nataon’ny vahoaka egyptiana na fantatra amin’ny lazany hoe “revolution du 25 janvier 2011” izay nangataka ny fametram-pialany ny taona 2011 ka tafiditra ho isan’ireo hetsika antsoina hoe “printemps arabe” ka rava ilay fikasana).

Hita tokoa fa tsy mora ny nanarina indray ny firenena tao aoriana ny savorovoro politika sy ny korontana naterany, indrindra moa fa ny teo amin’ny lafiny ara-toe-karena.

Ny fifidianana dia anisan’ireo fomba manome lanja ny demokrasia entina hananganana governemanta ankasitrahany sy ekeny rehetra. Tokony mangarahara arak’izany ny fanantontosana azy koa izany indrindra no antony anankinana ilay andraikitra ho an’ny rafitra iray voatokana tsy miandany na amin’ny fitondrana misy, na ireo antoko mpanohitra na ihany koa antoko politika samihafa. Tena manampy ny vahoaka hahatoky ny voka-pifidianana izany ary handrisika handray ny anjara birikiny ny amin’ny soritry ny hoaviny firenena iray.

Manana io rafitra voatokana Egypta ary eto Caire mihintsy aza no misy ny foibeny izay mpikarakara sy manatanteraka ny fifidianana; izany hoe mitovy amin’ny fisiany CENI Madagasikara ihany. Nahagaga ahy ihany anefa ny zava-misy sy ihainana andavan’andro satria dia tena tsy re laza misy fa hisy fifidianana anie eto Egypta (tsy toy ny an’I Dago rahefa raikitra izay ny propagandy fa dia kotaba etsy sy eroa, tee-shirt, famoriam-bahoaka,sns…).

Rehefa nikaroka ny antony aho dia nazava fa tsy misy afa-tsy ilay filoha am-perin’asa ankehitriny no hirotsaka ho fidiana ary tena misongadina amin’izany. Ireo nanam-pikasana rehetra, nisy olona 4 samihafa nanambara tamin’ny fomba ofisialy ho kandida saingy voaheloka nigadra avokoa ny telo tamin’izy ireo (namoronana dossier hoy isika) ary ny iray sisa moa dia tsy iza fa mpanohana akaiky ny fitondrana misy amin’izao ihany ka nilaza ny ho kandida mba hampisy “fifaninanana hono” kanefa dia ry zareo samy ao an-trano ihany (hevitro manokana). Maika moa fa miampy an’ilay filazana fa amin’ireo daty ireo ny fiodinana voalohany dia manantena fa mety hisy izany ny faharoa kanefa raha olona roa mpinamana ihany no isafidianana dia “Première tour dia vita”…

Teo ihany koa ny fandrafetana ny lisi-pifidianana izay tsy naresaka ary tsy nisy fihetsika naseho anakaiky ny vahoaka handrisika azy ireo hisoratra anarana amin’ny lisitra sy hifidy. Deraiko manokana eto ny ezaka lehibe nisy tany an-tanindrazana ny amin’iny lafiny iray iny, ary antenaiko fa nahomby ilay hoe “AO ANATY LISI-PIFIDIANANA AHO, ARY IANAO?”…

Miandry izay ho tohiny sy ny mety ho valiny fifidianana izay toa efa hita mazava hoe iza no handresy, na ny ankamaroan’ny mponina aty aza dia efa kivy ary tsy ho taitra akory ny amin’ny voka-pifidianana. Samy hiatrika fifidianana na Egypta na I Madagasikara amin’ity taona , ho hitantsika miandalana eo ihany ny zavatra hiseho.

 

Mihaja Rasoanaivo

Raha hizara hevitra

commentaire

Related posts

4 Thoughts to “Fifidiana filoham-pirenena Egyptiana ny 26 – 28 martsa 2018”

  1. Viagra Ansiolitico Per Giovani generic viagra Priligy Mexico

  2. Cialis Generic Soft Tabs Approved Canadian Online Pharmacies Medicament Cialis Performance generic viagra Brand Viagra Canada

  3. Wellbutrin Mexico Pharmacy cialis cheapest online prices Cephalexin And Hcpcs

  4. Viagra For Sale In Usa viagra Cialis Beneficios

Leave a Comment