Madagascar : Le nouveau gouvernement Ntsay

Fanendrena mpikambana ao amin’ny Governemanta : ho an’ny fifidianana mangarahara sy malalaka ary eken’ny rehetra Rehefa voatonona ny anaran’ireo mpikambana telopolo ao anatin’ny Governemanta vaovao tarihin’ny Praiministra Ntsay Christian, dia nanambara ny Filoham-pirenena Hery Rajaonarimampianina fa izao no natao mba hametrahana fitoniana sy filaminana eto amin’ny tany sy ny firenena ary mba tsy hisian’ny krizy politika mandifotra intsony. Manaraka ny didy navoakan’ny HCC ny fananganana ity Governemanta vaovao ity noho izy nijoro avy tamin’ny fifampiresahana teo amin’ny ankolafy politika avy amin’ny andaniny sy ankilany eto Madagasikara, hoy ny Filoha Rajaonarimampinina.…

voir plus