Mandalo eto Egypta ny Agape France

Tonga mandalo, mamangy ary miala sasatra eto Egypta ny Agape France izay tarihin'ny Pastera Mario RAZAFIMANJATO mpanorina ny Radio-Tele Agape France sy ny vady aman-janany rehefa avy nitsidika ny Liban sy Hong Kong ny volana Jiona lasa teo. Maniry ny hitondra teny soa mahafaly ho antsika Malagasy eto Egypta izy ireo. Tsara ho fantatra fa ny Agape dia vondrona kristianina izay mitory filazantsara manerana izao tontolo izao ary efa 20 taona izay no nijoroany. Saika ahitana solontenan'ny Agape ny firenena maro manerana izao tontolo izao. Vao sambany izao fandalovan'izy ireo eto Egypta izao. Tsara ny manamarika fa izy…

voir plus