Mpianatra hankaty Egypta : ireo tsara ho fantatra

« Betsaka ny fanontaniana mandalo ao an-tsain’ny mpianatra indrindra fa ireo Malagasy mikasa hanohy sy handrato fianarana eto Egypta. Isorohana ny fahadisom-panantenana rehefa tsy arak’izay noeritreretina ny hita maso dia tsara hatrany miomana mialoha sy manadiady ireo zavatra tokony ho fantatra na dia ny ankapobeny fotsiny ihany aza. »

Toy ny firenena rehetra ihany Egypta raha jerena amin’ny ankapobeny nefa hita misongadina eny ihany ny toe-javatra samihafa raha oharina amin’ny Madagasikara (vitsivitsy maromaro) koa ao ny tsara ary ao koa ny mifanohitra amin’izay. Fa tsy ity farany akory no tena zava-dehibe.

Ireto Telo (3) ireto no tena tsapa fa manan-danja sy tokony hiomananan’ireo mpianatra ho tonga sy honina eto Egypta :

  • Mila manana faharetana : izy ity dia manomboka hatramin’ny fotoana iandrasana ny tapakila iaingàna hankaty Egypta. Tsara ny manamarika fa ny ankamaroan’ireo mpianatra tonga eto dia nahazo vatsim-pianarana atolotry ny fanjakana Egyptiana na ny oniversite aty an-toerana. Maka fotoana somary maharitra ihany, raha tsy ilaza fa lava ny fiandrasana na ny fikarakarana ireo anton-taratasy rehetra hanombohana ny fianarana, hanavaozana « séjour » na « Visa », ny karazana fizahana ara-pahasalamana. Manarak’izay raha kely indrindra dia efa-taona (4) ny ambaratonga voalohany eny amin’ny oniversite na inona na inona làlam-piofanana nosafidiana ary ahazoana ny mari-pahaizana « BACHELOR ». Tsy toy ny any Madagasikara izany ka ao anatiny roa taona monja dia efa afaka mahazo ny mari-pahaizana « DTS » na telo taona ho an’ny « LICENCE ». Mbola azo atao tsara anefa ny manohy ny fianarana raha misy aty an-toerana ho amin’ny MASTER na DOCTORAT (PHD) fa mbola mila maharitra ihany koa na amin’ny fikarakarana ny taratasy rehetra na ireo taona hianarana. 

Oniversite telo anisan'ireo lehibe sy manan-danja raha eto amin'ny renivohitra Caire

  • Mitondra izay mety ho fitaovana sahaza sy zaka : mety hametra-panontaniana hoe inona ohatra ? Izay mety ho fitaovana ho ampiasaina amin’ny andavan’andro no tiana resahina : lambam-pandriana sy lamba firakotra maivana (ny vanim-potoana mafana no tena mibahana ny toetry ny andro), ny vilia (tsara raha plastika fa sady maivana no tsy mora vaky), sotro, vera,… Nahoana ? Efitrano misy fandriana, latabatra, seza ary « armoire » no omena ho an’ny mpianatra iray koa mba tsy ividianana ireo fitaovana izay azo lazaina fa fototra raha vao tonga. Tsy manakana ny fividianana izany rehetra izany aty an-toerana akory, mora hita sy maro isafidianana ihany koa. Ny lamba fitafy na ny akanjo ho an’ny vehivavy no tiana ho marihina fa tokony ho maontina hatrany ka tsy ireo manaitra sy manintona maso (décolté, débardeur, mini-short na short, mini-jupe, robe courte,…) eny fa na ny lehilahy aza tsy tafiditra any amin’ny sasany amin’ireo oniversite raha manao short mampiseho ny lohalika. Tsara raha manao fantina amin’ireo karazana akanjo entina. Tsy voatery hisaron-doha anefa ny vehivavy mba entina hanitsiana ny eritrerintsika mahakasika ny firenena arabo na ihany koa ireo vehivavy mpino silamo.
  • Manomana vatsy na dia ny kely indrindra aza : tsy azo lavina fa vatsim-pianarana no nahatonga anao aty Egypta ary izy io dia ara-bakiteny tokoa satria hiantoka ny fiainana any am-pianarana (ny saran’ny fianarana ohatra izay tena lafo tokoa satria ny teratany vahiny izay mikasa hiditra amin’ny oniversitem-panjakana eto Egypta dia mandoa sarany amin’ny vola « Livre Sterling », ny manana vatsim-pianarana kosa dia iantohan’ny fanjakana tanteraka). Hiantoka ny  fiainana mandritra ny fotoana ianarana ihany koa, izany hoe : mandray vola isam-bolana ny mpianatra tsirairay na ilay malaza amin’ny teny hoe « bourse » ary mahazo « equipement » na fampitaovana ny volana voalohany handraisana izany. Ity farany indrindra no hanasana antsika hiomana hatrany satria tsy eo noho eo izany no raisina rehefa tonga fa maka fotoana kely ka izay no ilaina ilay vatsy noentina avy any Madagasikara mandrapa… Samy manana ny fahafahan’ny rehetra eo amin’ity lafiny iray ity ka sarotra ny hanome tarehi-marika mahakasika ilay vatsy.

Ankoatr’ireo efa voalaza ireo moa dia eo ny fiarahamonina, ny toe-tsaina izay misy maha samihafa azy amin’ny antsika Malagasy, ny fomba fiainana, ny fihetsika mety manafintohina na tena fady mihintsy,… ka mety hisy ihany ilay antsoina hoe « choc culturel » fa fianarana no anton-dia ary fianarana ihany koa ilay fiainana vaovao hatrehina eto Egypta.

Mihaja Rasoanaivo

Raha hizara hevitra

commentaire

Related posts

5 Thoughts to “Mpianatra hankaty Egypta : ireo tsara ho fantatra”

  1. Viagra E Vene Varicose viagra Low Cost Cialis Online

  2. Levitra Zum Testen Allegra Kalkan Clomid canadian generic levitra Levitra 20 Mg Para Que Sirve Bentyl In Internet By Money Order No Script Needed

  3. Anexil Zithromax Z Pak Uses Cialis E Cannabis prix levitra 10 mg vidal Levitra Foglietto Illustrativo 10mg Kamagra Sildenafil Citrate

  4. Nolvadex Vidal cialis 5 mg best price usa Acquistare Cialis Generico Androcur Clomid

  5. Buy Amoxicilina 500 Mg From Mexico Propecia Prix Prix Propecia Pas Cher viagra online prescription Cialis Necesita Receta Medica

Leave a Comment