World Youth Forum Egypt 2018 : Nisy tanora Malagasy telo nandray anjara sy nanatrika izany

« Sehatra iray hihaonan’ny tanora rehetra maneran-tany ny World youth Forum izay noforonin’ny filoha Egyptiana nanomboka ny taona 2017 ka tanterahina isan-taona. Ho zaraina amintsika anatin’ny lahatsoratra ny tena votoatin’ny hetsika satria dia nisy tanora Malagasy 3 mianadahy tonga nisolo-tena ny firenentsika nanatrika izany: i Rachida Soua Joueline izay mpianatra malagasy mipetraka any Torkia, i Harold, izay mpianatra malagasy mianatra ao amin`ny nosy Morisy, ary i Marotia Pierre Victoire izay mpianatra sady malagasy miara-miaina amintsika eto Caire »

Izy telo mianadahy Malagasy tonga nanatrika ny WYF2018

Ny faha-telo hatramin’ny faha-enina (3 – 6) ny volana Novambra lasa teo no notontosaina tany amin’ny tànana antsoina hoe « Sharm El Sheikh » ity hetsika lehibe ity. Manangona tanora maneran-tany, mampihaona azy ireo mba hifampizara sy hifanakalo hevitra mahakasika ireo olana samihafa sedrain’ny firenena maro maneran-tany indrindra mahakasika ny tanora manokana. Izany indrindra no mizara ho lohahevitra maro dinihana sy hifampizarana ary ifanankalozan-kevitra ahitana vahaolana toy ny amin’ny fandrim-pahalemana, ny fahantrana sy ny fampandrosoana,  ny tetik’asa fikarohana… Ny mpampiantrano moa izay tomponan’andraikitra amin’ny fandraisana ireto vahiny maro be dia volana maromaro mialoha dia efa mikarakara mba hahatomombana ny zavatra rehetra. Reharehan'ny firenena egyptiana ny fanantontosana hetsika toy izao.

Mizara amintsika ny niainany ny WYF2018 ny iray amin’ireo Malagasy nanatrika ny hetsika tamin’ity taona ity araka ny fanontaniana napetraka taminy :

Ahoana no nataonao mba nahafahanao nandray anjara tamin’ny WYF2018 ?

« Marobe ny fomba ahafahana mandray anjara amin`ny WORLD YOUTH FORUM, anisan`izany ny fanasana azo amin`ny masoivoho na ambassade izay misafidy tanora vitsivitsy notsongaina mba hisolotena ny firenena sy hisolo vava ny tanora mpiray tanindrazana aminy, eo ihany koa ny fisoratana anarana amin`ny tranokala na site internet ny WYF, dia 'ry zareo no misafidy izay ho raisina araka ny fepetra tadiavin'izy ireo, ary misy koa ireo tanora izay nosafidin`ny oniversite izay ianarany, mba hisolotena ny firenena niaviany sy hisolo vava ny mpiara mianatra aminy amin`io fihaonana iraisampirenena io, ary tamin`ny alalan'io no nahavoasafidy ny tenako, satria ny oniversite no nanatona ahy ka nanontany raha izaho no hanolo tena hanatrika ny WYF2018 ka hitondra ny hevitr'ireo tanora mpiara mianatra amiko eto Caire sady ihany koa hitondra avo ny maha malagasy any amin'ny WYF amin`ity taona ity. »

Inona avy ny lohahevitra izay noresahana sy nodinihina tamin'ny WYF2018 ?

«Marobe ny lohahevitra noresahina tao sy nandraisana anjara, ary tsy afaka hotanisaina eto avy izy rehetra. Fa raha ohatra ka hofintinina fohifohy, dia mizara roa ny votoatiny, ny voalohany dia ny hoe : ahoana no atao mba hampandroso an'I Afrika, ary ny faharoa dia inona no atao mba ahazoana tanora Afrikana ho mpitarika na leader (leadership). Niarahana nidinika tamin'ireo tanora maro be maneran-tany tao izany rehetra izany, ary ny filohampirenena Egyptiana koa dia nanambara ny paikady izay efa nomaniny mba hanampiana an'I Afrika sy ny tanora afrikana amin'ny alalan'ny Agenda 2063, mitondra ny lohateny hoe:The Africa We Want, izay midika hoe ny Afrika izay irintsika. Nanazava izany tamin'ny antsipiriany izy toy ny: ahoana no atao mba hisian'ny fandriam-pahalemanana eto Africa?, satria tsy afa- mandroso isika hoy izy, raha tsy mandry fahalemana ny toerana izay iainantsika. Tao anatin`izany koa ny momba fanampiana ny tanora amin'ny alalan'ny famoronana orinasa na startup, mba ahafahan'izy ireo mamoron-javatra sady mivoatra bebe kokoa ka manampy tanora toa azy. Ary ahoana no ampihenana ny tsy fitovizan-jo eo amin'ny lehilahy sy vehivavy amin'ny sehatra maro samihafa eo amin'ny firenena, ary koa ahoana no anampiana ireo sembana ahatonga ny fahasembanan'izy ireo tsy ho sakana amin'ny fivoarana sy ny fampandrosoana ny firenena… Tena marobe ireo olona manana kilema nasaina tonga tao amin`ny WYF2018, ao ireo jamba , ao ireo tapa-tongotra, na tanana nefa tsy nanakana azy ireo hampiseho zavatra mihoatra noho ny sasany izany , satria nisy tamin`izy ireo no sady nihira no nanao fampisehoana no nandihy koa.

Marobe koa ny olona manan-kaja nasaina mandritra ireo resaka sy dinidinika ireo, anisan'izany ny Minisitre de communication et de technologies de l'information Egyptiana, Amr talaat, ny Ministre de l'éducation Tarek Shawki, ny Ministre de la jeunesse du Rwanda sy Tunisie, Rozemary Mbambazy sy Madjouline Cherni, ao koa ny Ministre ny raharahambahiny ny firenena Egyptiana, H. H. Sheikh bin Hamad Khaliffa izay mpisolo tena ny mpanjakan'ny Arabie Saoudite momba ny asa soa sy raharaha mikasika ny tanora. Ary ny filohan'ny Union Européenne  sy ny firenena arabo mitambatra Luai Shabaneh, ary i Maya Morsi izay vehivavy manana ny maha izy azy eo amin'ny sehatra politika eto Égypte sy amin'ny sehatra iraisampirenena satria izy dia anisan'ny vehivavy misahana andraikitra ambony indrindra eto Égypte. »

Inona no tombony ho anao manokana sy ho an’I Madagasikara tamin’ny fandraisanao anjara tamin’ny WYF2018 ?

 

I Marotia Pierre Victoire ,manoloana ny Sainampirenena Malagasy mandritra ny WYF2018
« Tena hetsika ngezabe ny hetsika toy izao, satria tanora maro anarivony avy amin'ny firenena maro samy hafa maneran-tany no tonga hivory sy hizara hevitra miaraka amin'ireo mpitondra lehibe izay manana ny maha izy azy avy. Ny tombony azo avy amin'ny fihaonambe toy izao, dia ny ahatsapana fa tsy diso anjara isika malagasy manoloana ny sehatra iraisam-pirenena, ny lanjan'ny tanora  ary manana ny maha izy azy koa ny tanora malagasy matoa voasafidy nanatrika ny fihaonana. Midika izany fa manan-danja ny feotsika ary manan-kolazaina isika tanora Malagasy eo anivon`ny fampandrosoana ny Afrika. Nanararaotra tokoa izahay telo mianadahy tamin'io fotoana io mba hanandratra avo ny lokon'ny Madagasikara, ka na teo amin'ny fandraisana anjara na teo amin'ny interview maro isakan-razany, dia maro no gaga sy liana fa hoe kay misy firenena antsoina hoe Madagasikara any ho any, ary manana tanora mavitrika sy misokatsaina hoy ny olona. »

Lazao anay ny hafatra apetrakao ho an’ireo tanora Malagasy maniry hanatrika ny WYF2019 :

« Natokana ho an'ny tanora maneran-tany ny WYF, koa manasa anareo mba ho tonga hanatrika azy io, indrindra indrindra ho an'ireo  tanora izay mipetraka ao Madagasikara, satria iantohan'ny governemanta Egyptiana ny zavatra rehetra, na ny billet na ny accomodation na ny sakafo sy transport sy ny sisa, ary ny fihaonana iraisam-pirenena toy izao dia manokatra lalana be dia be ho antsika tanora sady ahafahantsika mampita hafatra ho an'ireo tanora toa antsika, ka manasa anareo mba ho tonga maro sy hanoratra anarana amin'ny tranokala www.wyfegypt.com, ho an'ireo maniry hanoratra anarana ho amin'ny WYF2019. Ny fisoratana anarana dia misokatra eo amin'ny volana Jona 2019 eo. Ka manantena hahita tanora malagasy maro ho tonga aty, ary izahay eto Égypte dia faly hatrany hatrany handray anareo.»

Isaorana manokana i Marotia Pierre Victoire fantatry ny maro eto Egypte amin’ny anarana hoe Jecks nisolo-tena an’I Madagasikara sy nizara ny traikefa azony tamin’ny WYF2018.

Mihaja Rasoanaivo

Raha hizara hevitra

commentaire

Related posts

17 Thoughts to “World Youth Forum Egypt 2018 : Nisy tanora Malagasy telo nandray anjara sy nanatrika izany”

  1. It¦s truly a nice and helpful piece of information. I¦m satisfied that you shared this useful info with us. Please keep us informed like this. Thanks for sharing.

  2. Ou Peut On Acheter Du Propecia viagra prescription Azithromycin From Amazon Einnahme Levitra Rash Reaction To Keflex Is Propecia From Budgetmedica Real buy accutane 20mg lowest price propecia hair How To Buy Pills Online Canine Keflex

  3. Levitra Da 5 Mg Prezzo Candida Viagra cialis vs viagra Propecia Side Effects After

  4. accutane online india Cialis Como Tomar Medication And Amoxicillin cialis 5mg Lexapro Online No Rx Viagra Ordonnancecialis Canadian Pharmacy Viagra

  5. Real isotretinoin skin health overseas shop Purchase Propecia Online Preis Cialis Tadalafil cialis 40 mg Viagra Eis Levothyroxine Mexico Achat Cialis Generique 10mg

  6. Viagra Overnight farmacias viagra Viagra 27 Anni The Pharmacy Shop Viagra

  7. Amoxicillin Feline Dose cialis 20mg price at walmart Does Amoxicillin Treat Clymidia Bentyl 20mg Diciclomina Ticarcillin Amoxicillin Clavulanate

  8. Stendra On Sale Amoxicillin To Buy On Line viagra Canada Pharmicy Propecia Prostate Cancer Prevention

  9. Pediatric Zithromax Buy Kamagra Internet cialis from canada Viagra For Women 2013 Order Levitra Online Cheap Il Viagra Si Puo Comprare Senza Ricetta

  10. Viagra Canada Shop Reviews Amoxil Clav Tablets Kamagra 100 Without Prescription viagra prescription Cialais Cout Levitra 20mg 20 Mg Cialis Side Effects

  11. Can Keflex Antibiotic Cause Nightmares Viagra Foto Pillola viagra vs cialis Levitra 10 Orodispersible Comprimes Cipro Without Prescription Kamagra By Ajanta Pharma

  12. Effet Secondaire Du Cialis Nootropil Online Antibiotics Fast cialis cheapest online prices Cialis No Effect Can I Purchase Stendra Cod

  13. Vardenafil 20 Mg.No Prescription Kamagra Shop cialis generic Best Pharmacy To Buy Tadalafil On Sale Stendra Tablet Australia Cod Accepted Long Beach

  14. Prezzo Cialis 20 Mg In Farmacia online pharmacy Comprar Levitra Sin Receta En Madrid Propecia Efectivo 1 Mg

  15. Keflex And High Blood Pressure Does Latex Effect Keflex Levita Buy viagra Viagra Quelle Dose

  16. Cialis Naturelle cialis 20mg price at walmart Does Amoxicillin Kill Staph Keflex Affects On Birth Control Pills

Leave a Comment