« Maro be tokoa amin’izao fotoana ireo mikasa ny honina sy efa mipetraka ivelan’ny Madagasikara nohon’ny antony maro tsy ho voatanisa kanefa tsy mba manadino velively ilay tany niaviana na dia lasa lavitra aza. »
Ny fianarana , ny fitadiavana, ny tsaratsara kokoa na hoy isika hoe « lasa nila ravin’ahitra any ivelany »… Ireo teratany Malagasy monina sy nandao an’I Madagasikara nohon’ny antony maro samihafa dia miombo-po sy eritreritra amin’ireo Malagasy mpiray tanindrazana ny amin’ny ho avin’ny firenena indrindra moa fa amin’izao akatokin’ny fety na ny asaramanitra izao. Manantena ihany koa fa afaka hitondra ny anjara biriky ny tsirairay hisondrotan’ny firenena mba ho lovain’ireo taranaka fara-mandimby.
Misy ny hafatra apetraka anaty tononkalo, fankalazana ny faha-59 nahazoan’I Madagasikara ny fahaleovan-tena:
« Rahatrizay ry Gasikara »
Rahatrizay ry Gasikara
Izahay ho avy hikarakara
Tsy mba hitsaoka ny adidy
Na ho mamy na mangidy
Rahatrizay ry Gasikara
Inoanay fa hihatsara
Ny toe-draharahan’ny firenena
Ka mba ho mendrika jerena
Rahatrizay ry Gasikara
‘Zahay hanova ny tantara
Maniry indrindra anao ho tafa
Dia tsy hoambakain’ny hafa
Rahatrizay ry Gasikara
Ianao tsy ho diso anjara
Eny, tsy mora indraindray mety ho lavo
F’izahay hanampy hanandratr’avo
Atolotray Malagasy rehetra monina lavitry ny tanindrazana…
Mihaja Rasoanaivo