Sainam-pirenena Malagasy / Le drapeau de Madagascar

Fantaro ny antsika, ny lokon’ny fanevam-pirenena

« Tena nianarana tany an-dakilasy tokoa ny hevitr’ireo lokon’ny sainam-pirenentsika Malagasy kanefa efa maro ireo nanadino izany. Fampatsiahivana fotsiny ihany no entina isarihana ny saintsika tsirairay fa manan-danja lehibe ho any tanindrazantsika sy isika olom-pirenena ny hevitra fonosiny sainam-pirenena. »

Telo (3) no loko ny sainam-pirenena Malagasy: 

Fotsy: Mazava avy hatrany ny hevin'ny loko fotsy fa fahadiovana. Tsy dia tena ara-bakiteny loatra anefa fa ny tena hevitra fonosiny dia ny fahadiovam-po sy fanahy. Toetra arak’izany no tena hevitr’ity loko ity, toe-po sy toe-panahy izay azo lazaina fa efa ao anatin’ny Malagasy na ihany koa tokony hananan’ny Malagasy.

Mena: Hery indray no asehon’ity loko izay tonga dia miavaka sy manaitra maso ity. Efa teo foana izany loko izany hatramin’ny andro faha-mpanjaka satria dia hery no tena heviny ary isan’ny loko hita rehefa misy ady na fifanafihana amin’ny samy vohitra mpanjaka tamin’izany. Hevitra iray hafa fonosin’ny loko mena ihany koa ny fitiavana dia ny fitiavan-tanindrazana izany fa tsy fitiavana hafa akory. Saingy afaka hatsaraina ka ampiana ny hoe fitiavana ireo Malagasy mpiray tanindrazana ihany koa.

Maintso: Ity farany indray dia ny fanantenana no tena heviny. Ny Malagasy tokoa dia olona tena be fanantenana mandrakariva ary raha tsy nahomby ny natao anio dia tena misy fanantenana foana ny ampitso. Miavaka ihany koa ny tontolo, ny natiora ary ny zava-maniry sy ireo biby mampiavaka ny nosintsika; ireo ihany koa dia asehon’ity loko maintso ity. 

Tena raiki-tapisaka amin’ny soatoavina (toy ny voarakitra anaty ohabolana sy oha-pitenenana) sy ny singa rehetra maha Malagasy ny hevitr’ireo lokon’ny sainam-pirenena toy ny: 

  • fihavanana sy ny fifampitsimbinana: « Trano atsimo sy avaratra, izay tsy mahalen-kialofana. », na ihany koa « Ny firaisan-kina no hery. »
  • fanaovana ny marina: « Aza ny lohasaha mangina no jerena fa Andriamanitra ao an-tampon’ny loha.» 
  • finoana ny tody sy ny tsiny; « Ny tody tsy misy fa ny atao no miverina.»

Mbola maro izy ireo fa tsara ho marihina fa nentina namolavola ary fototra ijoroan’ny toe-tsaina, toe-po sy toe-panahy izy ireny.

Fizarana ohabolana Malagasy mba tsy anadinoana izany no ato amin’ity rohy manaraka ity: https://ohabolana.org

Flag in map of Madagascar

 

Notre drapeau, fait notre fierté mais c’est également notre identité

« Les couleurs du drapeau Malagasy sont emblématiques à travers leurs significations. Les élèves Malagasy apprennent à l’école les significations des couleurs du drapeau ainsi que l’histoire de Madagascar. De ce fait, le système éducatif Malagasy veut créer un élan citoyen fondé surtout sur la valeur de notre identité  nationale et celle du peuple Malagasy. »

Le drapeau de Madagascar est composé de trois couleurs dont le blanc en vertical et puis deux bandes superposées de couleur rouge et vert en horizontal.

Blanc: La signification de cette couleur est la propreté. Mais celle ci n’est pas au sens propre, c’est plutôt la pureté du coeur et la loyauté du peuple Malagasy. Les Malagasy sont souvent connus par leurs hospitalités dérivés de ce coeur pur.

Rouge: C’est une couleur qui représente la force. Elle a été présent depuis longtemps selon l’histoire de la grande île même pendant la période des royautés où il y avait plusieurs petits royaumes dans tout Madagascar vers les années 1800s; des drapeaux rouges étaient donc le symbole de la force d’une armée pour conquérir un autre royaume. Le patriotisme ou l’amour de la patrie est représenté par cette couleur rouge. Le rouge symbolise l’amour, et non seulement l’amour de la patrie mais aussi l’amour pour la nation et entre le peuple.

Vert: C’est la couleur de l’espoir. Les Malagasy ont toujours tendance à espérer malgré les difficultés qu’ils rencontrent au quotidien ou dans la vie en général. Et d’autre part, la couleur verte sur le drapeau Malagasy montre une grande partie de l’île d'où sa richesse en biodiversité qui est justement unique au monde. La nature ainsi que les faunes et flores à Madagascar font la fierté du peuple Malagasy.

Il est ainsi clair que les couleurs du drapeau Malagasy représentent en grande partie l’identité nationale ou simplement la réponse à la question: qui sommes nous?. Ces significations sont à l'origine de nos propres valeurs, et sont relativement introduites dans la société Malagasy. C’est aussi en lien avec la culture et les traditions du pays comme dans les proverbes purement Malagasy.

« Ne considérez point le silence dans la vallée mais souvenez vous de Dieu qui regarde au sommet de la montagne »; « Du Sud au Nord, le plus important c’est que tous soient à l’abri »; « Tous nos actions nous reviennent »… Il se peut que les ancêtres du peuple Malagasy ont hérité de l’enseignement sur le karma?

Mihaja Rasoanaivo

Raha hizara hevitra

commentaire

Related posts

Leave a Comment