Vehivavy Malagasy eto Egypte nisongadina tamin’ny Fiofanana

Nisy fiofanana Logiciel Photoshop izay nokarakarin’ny parlemantan’ny mpianatran’ny Al Azhar tamin’ny 8 Septambra 2020 lasa teo, tao amin’ny Tanana islamika Al-Baath. Marihina fa izy io dia efa nanomboka tamin’ny volana Marsa, fa nohon’ny resaka coronavirus dia tsy maintsy notohizana en ligne (sur internet) ny famitana azy. Tonga nanatrika ny fanolorana mari-pahaizana ny mpitarika ny tanànan’ny Silamo Al-Baath, izay notarihin’Andriamatoa Jeneraly Jeneraly Ibrahim Al-Jarrahi sy Dr. Abdul Aziz Abdul Latif.

Sombitsombiny amin’ireo mpiofana tamin’ny fiofanana Logiciel Photoshop

Ny isan’ny mpandray anjara tamin’ny fiofanana moa dia mpianatra miisa 70 avy amin’ny firenena isan’karazany avy.

Ity taranja ity dia moa nahatonga ny asa famoronana tamin’ny alàlan’ny fanomezana hery sy fahalalana matotra eo amin’ny sehatry ny Photoshop. Ary taorian’ny fiofanana dia nisy fifaninanana natao, ka ny anabavintsika Malagasy eto egypte, ramatoakely Amina Rajab no nibata ny amboara ka nahazo ny laharana voalohany tamin’ny fampiasana ny logiciel Photoshop taorian’io fiofanana io.

Maripahaizana Noraisin’i Amina Rajab taorian’ny fiofanana

Izany rehetra izany dia natao teo ambany fanaraha-mason’ny filohan’ny parlemantan’ny mpianatra Andriamatoa Musab Rabih Farajallah.

Ary Isaorana manokana ny filohan’ny komitin’ny kolontsaina Andriamatoa Abdelbaki sy Profesora Ibrahim Trạwry.

Raha hizara hevitra

commentaire

Related posts

Leave a Comment